top of page
Image décorative

Fandriho ato ireo tolotra zaha tany 

miaraka aminay !

Ankafizo ireo hakanton' ny harena voajananahary sy mahatalanjona toy ny  Alan' ny Baobab, Nosy misy tora-pasika madio, ny ala honko (Mangrove),toerana mampiseho ny asa tanana Malagasy, sns .....ary koa ny fomba fiainan' ireo mponina ao .

Andao hiaraka aminay hizaha sy hankafy ireo toerana izay matehotia sy tsy hay hadinoina izay anisan' ny

maha kanto an' i Madagascar.

Fandriho dieny izao ireo fitsidihana izay tianao hatao ary vidio ato.

Araraoty fa amin' izao fisokafanay izao dia manolotra fihenambidy 10 %  izahay manomboka ny 10 aprily 2024 ary haharitra anatiny roa volana  izany amin' ny alalan' ny code BETA.

IMG_1543.jpg

Fanehoan-kevitra

"Fotoana Mamy "

Niaraka nankafy ny fialan-tsasatray  tamin' i Aina sy ny Ekipany izahay nizaha ireo toerana mahafinaritra tao Morondava ary  nahazo sary fahatsirovana.

"Miavaka kely"

"Tsy nampoizinay hoe  misy toerana kanto maro toy izao aty Morondava !"

"Nitsidika toerana telo izahay"

"Resy lahatra tokoa izahay fa mahafa-po ireo zahatany miaraka amin' ny Eto Morondava taorian' ny fitsidihana an' i Morondava tamin' ny lakana nataonay niaraka tamin 'izy ireo."

Allée des Baobabs de jour

Zaha tany mahafapo

Ny anaranay hoe Eto Morondava dia nalaina avy tamin' ny teny frantsay hoe et tout Morondava. Noho izany, izahay dia vonona haneho ny maha izy an' i Morondava sy ny manodidina azy.

Ny Eto Morondava dia manasa anao hitsidika ireo harena voajanahary eto Morondava sy ny manodidina amin' ny Tuktuk na amin' ny Lakana (misy motera). Miandry anao ireo zaha tany mahafinaritra miaraka amin' ny mpitari- dalana izay vonona haneho ireo toerana izay maha izy an' i Morondava

Hiaino ny hankaton' ny Morondava. Fandriho sy vidio ato amin' ny fotoana fohy ireo tolotra omenay.

Bateaux à Morondava
bottom of page